Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 102 772 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Ranavalona III
Ranavalona III teraka Razafindrahety tao Manjakazafy tamin'ny 22 Novambra 1861, ary maty an-tsesitany tamin'ny 23 Mey 1917, no mpanjakavavy farany tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara, mbola nametraka an' Antananarivo ho renivohiny.

Mbola tanaty savorovoro tanteraka ny firenena raha mbola tsy nandray ny fanjakana akory Ranavalona III; nobodoin'i Frantsa tamin'ny alalan' i Amiraly Pierre ny tanànan'i Mahajanga sy Toamasina. Nalain'ny Amiraly Galiber kosa ireo seranana hafa toa an'i Morondava sy Vohemar ary Tolagnaro raha niandoha teo amin'ny fanjakana izy. Hita amin'izany fa mpanjaka anisan'ny nandia fotoan-tsarotra nandritra ny fanjakany Ranavalona III.

Vao 21 taona monja izy tamin' ny 30 Jolay 1883 raha nandray ny fanjakana, araka ny safidin'ny Praiminisitra Rainilaiarivony, ka nandimby ny nenitoany, ny mpanjakavavy Ranavalona II. Na dia izy aza no mpanjaka dia eo ampelatanan'ny Praiminisitra kosa ny fahefana, ny praiminisitra rahateo koa no mitana ny andraikitra ambony indrindra amin'ny fibaikoana miaramila. Nanembatsembana ary nampihena ny herin'ny fanjakan' i Madagasikara ny fahazoan'i Frantsa ny andraikitra fa izy no misahana ny raharaha ivelan'i Madagasikara, izany hoe i Frantsa no misolo tena an'i Madagasikara amin'ny raharaha iraisampirenena. Fifanarahana tamin'ny 17 desambra 1885[1], taorian'ny ady 1883-1885 nifanaovan'i Madagasikara tamin'i Frantsa, no nahatonga izany toe-javatra izany ary avy amin'io ihany koa no mahatonga an'i Madagasikara handoa onitra mavesatra dia mavesatra amin'ny frantsay.

Kenda ara-toekarena i Madagasikara noho ny fanakanan'i Frantsa tsy hindram-bola amin'ny banky anglisy fa tsy maintsy amin'ny banky frantsay ihany no manao izany. Mbola niezaka nampifandanja ny herim-panintonana britanika amin'ny herim-panintonana frantsay ny praiminisitra eo amin'ny politika sy ny toekarena eto an-toerana nefa efa niova ny toe-draharaha iraisampirenena taorian'ny kaoferansan' i Berlin (15 novambra 1884- 26 febroary 1885) nifamorian'ireo samy mpanjanatany. Efa nifanaraka ny britanika sy ny frantsay tamin'ny 5 aogositra 1890 fa ankatoavin'i Frantsa ny ifehezan'i Britania Lehibe an'i Zanzibar ary ankatoavin'i Fanjakana Mitambatra kosa ny fahefan'i Frantsa amin'i Madagasikara. Tsy mifandrafy ampahibemaso intsony izany i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra manoloana ny raharaha Madagasikara. Nisy ihany ireo manamboninahitra ambony anglisy vonona hiaro ny mpanjakavavy, saingy tsy navelan' ny Praiminisitra hihetsika intsony ireo.

Antony iray amin' izay naharesy an' i Madagasikara manoloana an' i Frantsa ny nanakisahana ireo miaramila manamboninahitra ambony vahiny mpampiofana ny tafika malagasy ireo tsy hahazo hiditra amin' ny fibaikoana nefa maro amin'ireo manamboninahitra malagasy no efa manao sarin' ady fotsiny sisa nefa maniry ny hialan' ny Praiminisitra haingana ao am-pony ao.

Raha tanaty fahasarotana no nanombohan-d Ranavalona III ny fanjakany dia mbola tanaty ady ihany koa no nanonganan'ny Jeneraly Gallieni azy ny 28 febroary 1897 tsy ho mpanjakan'i Madagasikara intsony sy nanafoanana ny Fanjakan'i Madagasikara ary nandefasana azy sesitany avy hatrany tao La Réunion aloha vao nafindra ho any Alger. Niamboho an-tsesitany Ranavalona III rehefa roapolo taona no tsy naha-mpanjaka azy intsony. Nafenina tany Alger aloha fa 21 taona taty aoriana vao nampodiana taty an-tanindrazana ka napetraka tao amin'ny trano manaran'ny mpanjakavavy tao Manjakamiadana Antananarivo, ary nafindra ho any Ambohimanga tamin'ny taona 2007.

(Tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Sarin' i Michèle Rakotoson

I Michèle Rakotoson dia vehivavy malagasy mpanoratra boky, mpanoratra tantara foronina am-boky, mpanoratra tantara tsangana, mpanao gazety, mpikatroka. Teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo izy. Namoaka tantara foronina sy tantara an-tsehatra manodidina ny folo amin' ny teny malagasy izy ary tompon' andraikitra tamin' ny zoro haisoratra ao amin' ny Revue Noire tao Paris.

Tantaram-piainana

I Michèle Rakotoson dia teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo. Avy amin' ny fianakaviana madiotanana prôtestanta. Mpanao gazety ny rainy ary mpiandraikitra ny tranomboky ny reniny.

Nitodika tany amin' ny asa fanaovan-gazety sy ny famoronana tantara an-tsehatra ary ny fanoratana izy tatỳ aoriana. Nandray kolontsaina avy amin' ny prôtestantisma sy avy amin' ny koakerisma (frenjy) izy ka nianatra tao amin' ny lisea Jules Ferry tao Antananarivo. Lasa mpampianatra literatiora sy talen' ny lalao an-tsehatra teto Madagasikara izy saingy nandao ny firenena tamin' ny taona 1983 noho ny antony ara-pôlitika. Taty aoriana dia nifindra tany Paris izy ary nahazo ny mari-pahaizana DEA amin' ny sôsiôlôjia ary lasa mpikarakara hetsika literatiora tao amin' ny Radio France Internationale. Nanao ny asan' ny mpanao gazety tao amin' ny radio RFI sy France Culture ary koa tamin' ny fahitalavitra frantsay RFO sy iraisam-pirenena hafa izy.

Tamin' ny faran' ny taona 2010 dia niverina teto Madagasikara i Michèle Rakotoson. Tamin' ny taona 2011, niara-niasa tamin' i Nicolas Vatomanga ( mpitsoka saksôfônina sy sodina amin' ny de jazz) sy tamin' ny tarika misy azy izy, ary nandray anjara mavitrika tamin' ny famolavolana hevitra vaovao: ny Slamjazz Projekt ("Tetikasa Slam Jazz"), endrika zavakanto vaovao mampiaraka ny tononkalo noforonina eo no ho eo (slam) sy ny mozika foronina eo no ho eo (jazz). Ity mpanoratra ity dia nandray anjara niraka amin' ny mpanakanto hafa tamin' ny tetikasa ara-kolontsaina maro eto an-toerana toy ny Slamjazz Projekt sy ny hetsika Bokiko. Lasa mpiahy fikambanana malagasy maro koa izy.

Tamin' ny taona 2013 dia nahazo toeram-ponenana tao amin' ny Maison des auteurs et autrices des Francophonies. Tamin' ny taona 2016, izy no mpiahy ny La Dictée francophone, izay karakarain' ny France-Québec isan-taona ao anatin' ny Semaine de la langue française ("Herinandron' ny teny frantsay").

(tohiny)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao


Wu Yize nandritra ny lanonana 2026 teo ivelan'ny teatira Crucible, Sheffield.
  • 4 mey 2026 :
    • Nisy fipoahana tao amin'ny orinasa iray mpanao afomanga tao Liuyang, Hunan, Shina, ka nahafaty olona 26 sy naharatra 61 hafa.
    • Resin'i Wu Yize tamin'ny famaranana i Shaun Murphy ka dia izy no Tompondaka Manerantany amin'ny Snooker.
  • 30 Avrily 2026 :
    • Nahazo ny maro an'isa tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tao Antigoa-sy-Barboda ny Antokon' ny mpiasa tarihin'ny praiminisitra Gaston Browne
  • 29 avrily 2026 :
    • Notsipahin' ny Antenimieran-doholona federaly ao Brezila tamin'ny vato 42 manoloana ny 34 nanaiky ny fanendrena an'i Jorge Messias ho Mpitsara Tampony Federaly. Sambany no nisy fitsipahana tahaka izany tao amin'io firenena io hatramin'ny taona 1894.

* Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha


 Efemerida

Androany 6 mey:

  • 1889 - Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny daholobe ny Tilikambon'i Eiffel nandritra ny Fampirantiana Iraisampirenena tao Paris.
  • 1916 - Voasambotra ny Emperora Vietnamiana Duy Tân raha niantso ny vahoaka hitsangana hanohitra ny Frantsay, ary nalefa sesitany tao amin'ny nosy La Réunion taty aoriana.

Pejy rehetra 

Sokajy 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. https://www.contretemps.eu/il-y-a-70-ans-linsurrection-de-mars-1947-ou-la-troisieme-guerre-franco-malgache/#:~:text=Le%205%20ao%C3%BBt%201890%20est%20sign%C3%A9e%20la,qui%2C%20contre%20le%20protectorat%20anglais%20sur%20Zanzibar