Ranavalona IIIRanavalona III teraka Razafindrahety tao Manjakazafy tamin'ny 22 Novambra1861, ary maty an-tsesitany tamin'ny 23 Mey1917, no mpanjakavavy farany tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara, mbola nametraka an' Antananarivo ho renivohiny.
Mbola tanaty savorovoro tanteraka ny firenena raha mbola tsy nandray ny fanjakana akory Ranavalona III; nobodoin'i Frantsa tamin'ny alalan' i Amiraly Pierre ny tanànan'i Mahajanga sy Toamasina. Nalain'ny Amiraly Galiber kosa ireo seranana hafa toa an'i Morondava sy Vohemar ary Tolagnaro raha niandoha teo amin'ny fanjakana izy. Hita amin'izany fa mpanjaka anisan'ny nandia fotoan-tsarotra nandritra ny fanjakany Ranavalona III.
Vao 21 taona monja izy tamin' ny 30 Jolay 1883 raha nandray ny fanjakana, araka ny safidin'ny PraiminisitraRainilaiarivony, ka nandimby ny nenitoany, ny mpanjakavavy Ranavalona II. Na dia izy aza no mpanjaka dia eo ampelatanan'ny Praiminisitra kosa ny fahefana, ny praiminisitra rahateo koa no mitana ny andraikitra ambony indrindra amin'ny fibaikoana miaramila. Nanembatsembana ary nampihena ny herin'ny fanjakan' i Madagasikara ny fahazoan'i Frantsa ny andraikitra fa izy no misahana ny raharaha ivelan'i Madagasikara, izany hoe i Frantsa no misolo tena an'i Madagasikara amin'ny raharaha iraisampirenena. Fifanarahana tamin'ny 17 desambra 1885[1], taorian'ny ady 1883-1885 nifanaovan'i Madagasikara tamin'i Frantsa, no nahatonga izany toe-javatra izany ary avy amin'io ihany koa no mahatonga an'i Madagasikara handoa onitra mavesatra dia mavesatra amin'ny frantsay.
Kenda ara-toekarena i Madagasikara noho ny fanakanan'i Frantsa tsy hindram-bola amin'ny banky anglisy fa tsy maintsy amin'ny banky frantsay ihany no manao izany. Mbola niezaka nampifandanja ny herim-panintonana britanika amin'ny herim-panintonana frantsay ny praiminisitra eo amin'ny politika sy ny toekarena eto an-toerana nefa efa niova ny toe-draharaha iraisampirenena taorian'ny kaoferansan' i Berlin (15 novambra1884- 26 febroary1885) nifamorian'ireo samy mpanjanatany. Efa nifanaraka ny britanika sy ny frantsay tamin'ny 5 aogositra1890 fa ankatoavin'i Frantsa ny ifehezan'i Britania Lehibe an'i Zanzibar ary ankatoavin'i Fanjakana Mitambatra kosa ny fahefan'i Frantsa amin'i Madagasikara. Tsy mifandrafy ampahibemaso intsony izany i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra manoloana ny raharaha Madagasikara. Nisy ihany ireo manamboninahitra ambony anglisy vonona hiaro ny mpanjakavavy, saingy tsy navelan' ny Praiminisitra hihetsika intsony ireo.
Antony iray amin' izay naharesy an' i Madagasikara manoloana an' i Frantsa ny nanakisahana ireo miaramila manamboninahitra ambony vahiny mpampiofana ny tafika malagasy ireo tsy hahazo hiditra amin' ny fibaikoana nefa maro amin'ireo manamboninahitra malagasy no efa manao sarin' ady fotsiny sisa nefa maniry ny hialan' ny Praiminisitra haingana ao am-pony ao.
Raha tanaty fahasarotana no nanombohan-d Ranavalona III ny fanjakany dia mbola tanaty ady ihany koa no nanonganan'ny Jeneraly Gallieni azy ny 28 febroary1897 tsy ho mpanjakan'i Madagasikara intsony sy nanafoanana ny Fanjakan'i Madagasikara ary nandefasana azy sesitany avy hatrany tao La Réunion aloha vao nafindra ho any Alger. Niamboho an-tsesitany Ranavalona III rehefa roapolo taona no tsy naha-mpanjaka azy intsony. Nafenina tany Alger aloha fa 21 taona taty aoriana vao nampodiana taty an-tanindrazana ka napetraka tao amin'ny trano manaran'ny mpanjakavavy tao Manjakamiadana Antananarivo, ary nafindra ho any Ambohimanga tamin'ny taona 2007.
I Michèle Rakotoson dia vehivavymalagasy mpanoratra boky, mpanoratra tantara foronina am-boky, mpanoratra tantara tsangana, mpanao gazety, mpikatroka. Teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo izy. Namoaka tantara foronina sy tantara an-tsehatra manodidina ny folo amin' ny teny malagasy izy ary tompon' andraikitra tamin' ny zoro haisoratra ao amin' ny Revue Noire tao Paris.
Tantaram-piainana
I Michèle Rakotoson dia teraka tamin' ny 14 Jona 1948 tao Antananarivo. Avy amin' ny fianakaviana madiotanana prôtestanta. Mpanao gazety ny rainy ary mpiandraikitra ny tranomboky ny reniny.
Nitodika tany amin' ny asa fanaovan-gazety sy ny famoronana tantara an-tsehatra ary ny fanoratana izy tatỳ aoriana. Nandray kolontsaina avy amin' ny prôtestantisma sy avy amin' ny koakerisma (frenjy) izy ka nianatra tao amin' ny lisea Jules Ferry tao Antananarivo. Lasa mpampianatra literatiora sy talen' ny lalao an-tsehatra teto Madagasikara izy saingy nandao ny firenena tamin' ny taona 1983 noho ny antony ara-pôlitika. Taty aoriana dia nifindra tany Paris izy ary nahazo ny mari-pahaizana DEA amin' ny sôsiôlôjia ary lasa mpikarakara hetsika literatiora tao amin' ny Radio France Internationale. Nanao ny asan' ny mpanao gazety tao amin' ny radio RFI sy France Culture ary koa tamin' ny fahitalavitra frantsay RFO sy iraisam-pirenena hafa izy.
Tamin' ny faran' ny taona 2010 dia niverina teto Madagasikara i Michèle Rakotoson. Tamin' ny taona 2011, niara-niasa tamin' i Nicolas Vatomanga ( mpitsoka saksôfônina sy sodina amin' ny de jazz) sy tamin' ny tarika misy azy izy, ary nandray anjara mavitrika tamin' ny famolavolana hevitra vaovao: ny Slamjazz Projekt ("Tetikasa Slam Jazz"), endrika zavakanto vaovao mampiaraka ny tononkalo noforonina eo no ho eo (slam) sy ny mozika foronina eo no ho eo (jazz). Ity mpanoratra ity dia nandray anjara niraka amin' ny mpanakanto hafa tamin' ny tetikasa ara-kolontsaina maro eto an-toerana toy ny Slamjazz Projekt sy ny hetsika Bokiko. Lasa mpiahy fikambanana malagasy maro koa izy.
Tamin' ny taona 2013 dia nahazo toeram-ponenana tao amin' ny Maison des auteurs et autrices des Francophonies. Tamin' ny taona 2016, izy no mpiahy ny La Dictée francophone, izay karakarain' ny France-Québec isan-taona ao anatin' ny Semaine de la langue française ("Herinandron' ny teny frantsay").
Notsipahin' ny Antenimieran-doholona federaly ao Brezila tamin'ny vato 42 manoloana ny 34 nanaiky ny fanendrena an'i Jorge Messias ho Mpitsara Tampony Federaly. Sambany no nisy fitsipahana tahaka izany tao amin'io firenena io hatramin'ny taona 1894.
1527 - Norobain'ny connétable Charles de Bourbon sy ny miaramilany, miasa ho an'i Charles Quint i Rôma.
1889 - Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny daholobe ny Tilikambon'i Eiffel nandritra ny Fampirantiana Iraisampirenena tao Paris.
1916 - Voasambotra ny Emperora Vietnamiana Duy Tân raha niantso ny vahoaka hitsangana hanohitra ny Frantsay, ary nalefa sesitany tao amin'ny nosy La Réunion taty aoriana.